Entrée | 1 Mpikororoka ampombo |
Mots élémentaires | 2 mpikororoka, 3 ampombo |
Partie du discours | 4 nom propre (titre de poème) [Liste complète] |
Vocabulaire | 5 Littérature: poèmes |
Auteur |
6 Rajaobelison Samuël |
Texte complet |
7 Milina mpitoto injao migoboka ao, 8 Ampombo be miavosa an-tsisin'ny tamboho; 9 Indro vehivavy hatsatra sy lao 10 Mitondra am-babena zaza miamboho. 11 Rehefa feno ampombo ny gony kely nentiny, 12 Nataony an-doloha, ny masony efa lalina! 13 Hokororohina io sitrany hisy ventiny, 14 Na kely ihany aza hiantoka ny alina! 15 Etsy ambody hazo ny zaza mitomany, 16 Ditsoky ny ampombo ka mangarom-bava; 17 Hontsa ho'aho ilay reny raha mahita izany, 18 Ka mody velon-kira miantsa dridralava 19 Tapaka kapoaka!… lohavary mena! 20 Izay no kororoka namonoana ny andro! 21 Nitsangana Ingory hamonjy ny babena, 22 Dia lasa Ramatoa hanokona nahandro. |
Mis à jour le 2025/09/13 |
![]() |